<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>W.H. Doane</author>
<hymn_number>465</hymn_number>
<title>Ry Jeso o, ry Jeso ! FFPM465</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Jeso ô ! ry Jeso !
 Ny foko lazanao,
 Ka Hianao irery
 No Tompoko izao ;
 Tsy manan-tahotra aho,
 Hianao no aroko ;
 Ny lalako mazava,
 Hianao faniloko.

[V2]
 Mitaona dia mitaona
 Ny zava-poana ;
 Ankoso-bolamena
 Mamirampiratra ;
 Anefa ry Mpamonjy !
 Izay ampianao
 Dia haharesy tsara
 Izao tontolo izao,
 Ry Jeso ô ! ry Jeso ! ..sns.

[V3]
 Ny nofoko malemy,
 Ka be ny sitrapo ;
 Be koa ny fitsapana
 Mahazo ahy izao ;
 Anefa Jeso tia !
 Raha re ny feonao,
 Mahazo hery aho
 Hanao ny sitrakao,
 Ry Jeso ô ! ry Jeso ! ..sns.

[V4]
 Ry Jeso ô ! ry Jeso !
 Mba tovy amiko
 Ilay teny maharavo
 Hoe &quot;Sakaizako&quot; ;
 Iriko lalandava
 Hiaraka Aminao,
 Mba hahitako tsara
 Ny fitiavanao,
 Ry Jeso ô ! ry Jeso ! ..sns.

[V5]
 Ny dianao jereko
 Etý an-dàlana,
 Ambara-pahatratra
 Ilay fitsaharana,
 Omeo hery aho
 Hanompo tsara Anao ;
 Fa fantatrao, ry Jeso !
 Ny foko lazanao.
 Ry Jeso ô ! ry Jeso ! ..sns.</lyrics>
</song>